Tendry Gasy (CGDGBE)

Takelaka 

  1. Fomba Fitendrena Accord (C =>002010)
  2. Anarana Accord (002010–> C)

Raha te hamadika an’ilay accord ho Do-Re-Mi, dia tsidio Accord/Naoty (Do sa C)

Accord fampiasa matetika

A –  A:      x22220 Am: x22210

B –  Bb:    x3333x B:        x4444x   Bm:    x4443x

C –  C :     0x2010 na       0x555x    na       5555x    C7 : 0x3210

D – D:      224232 na       xx0232    Dm7: 2×3211

E –  E:     446454  Em7: 4×5433    E/G#:x12100

F –  F :    557565

G –  G     x0343x  G/B:   x4043x

Mombamomba

Betsaka ny hira Malagasy mahafinaritra mampiasa Tendry Gasy (i.e. Mahaleo, indrindra ny hira nosoratan’i Dadah Rabel). Afaka tendrena accord standard ihany izy ireo (ny accorddia mitovy ihany), kanefa heno ihany hoe tsara kokoa raha tendrena amin’ny accord Gasy.

Ny olana anefa ny hira mampiasa Tendry Gasy matetika tsy voadika accord (solfejy), satria ny ankamaroan’ny mpitendry mahay accord Gasy, tsy mila (na tsy mahay) solfejy satria efa zatra an’ilay tendry Gasy ny sofiny.

Noho izany ity pejy dia mety manampy kokoa ho an’ny mpitendry mbola mianatra an’ilay fitendrena naoty mampiasa accord Gasy.

Betsaka ny tuning/accord afaka ampiasana fa ny fampiasa matetika dia ny CGDGBE (marihina fa ny standard dia EADGBE). Izany hoe ny E (0xxxxx) alatsaka ho C, ary ny A (x0xxxx) alatsaka ho G.  Tsy sarotra ny manova an’ireo accord ireo fa tsara kokoa raha mampiasa “Tuner” raha mbola tsy zatra ny sofina (betsaka ny takelaka na app efa manana Tuner amin’izao)

Tondrom-peo mampiasa accord Gasy nampidirana: Marihina fa hira efa Tendry Gasy ny orijinaly no hampidirana eto fa tsy hira tsotra (mampiasa tendry Standard) no havadika tendry Gasy. 

  1. Andro Ririnina (Mahaleo)
  2. Ao Izy e (Mahaleo)
  3. Ditra (Mahaleo)
  4. Faribolana (Mahaleo)
  5. Fony Isika (Dadah Rabel)
  6. Hanaraka Anao (Mahaleo)
  7. Ianao Ilay Tsy Manan-Tsahala (Dadah Rabel)
  8. Iantrao (Mahaleo)
  9. Lasa Ny Mamba (Mahaleo)
  10. Manahy Aho (Mahaleo)
  11. Maso Mifanojo (Dadah Rabel)
  12. Minisitera (Mahaleo)
  13. Nenina (Mahaleo)
  14. Nofinofy (Mahaleo)
  15. Ny Tena Fitia (Mahaleo)
  16. Rafahafahana (Mahaleo)
  17. Satry Ihany (Dadah Rabel)
  18. Solfezy (Mahaleo)
  19. Tafaray Samy Tia (Randratelo)
  20. Tonga Ny Alina (Mahaleo)
  21. Tsara Tso-drano (Dadah Rabel)
  22. Valio Anie Aho (Dadah Rabel)
  23. Zanako Vavy (Mahaleo)

Leave a comment

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.