Tena tsara ilay hevitra. Saingy vitsy ny hira mbola ao. Tokony omena sehatra eto koa ireo mpitsidika havanana amin’ny acoustique gasy mba hiara-mifarimbona aminao hampitombo ny raki-kira ato. Tsara koa raha mba misy sehatra ahafahan’ireo mpitsidika mifanakalo hevitra sy traikefa (blogs) fa sady mampandroso ny tsirairay izany no mampanankarena ny site koa. Mahereza e
Akory e. Misaotra amin’ny torohevitra. Tena ilay hampitombo ny mpanolonatra tondrompeo mihitsy tanjona. Efa nangataka an’izay ihany ny tena tao amin’ilay pejy Facebook (Acoustic Gasy), fa ny ankamaroan’ny mpanaraka an’ilay pejy dia mbola mpianatra gitara (taona 18-24 eo ho eo), dia tsy mbola nahazo valiny. Haveritra angatahana indray angamba.
Raha mazoto ianao na mahalala olona mahazoto dia tena raisiny an-tanandroa. Ny fampidirana hira dia mbola tantaniko hatramin’izao mba hahafahana ny kalitao mba hitovy (i.e. format, tendrena imbetsaka ilay hira hijerena hoe marina ve lireo naoty ary mipetraka tsara eo amin’ny tononkira ve). Ny tanjona moa dia ny ampitombo ireo tondrompeo, fa ho kendrena hoe ho tsara ny tondrompeo izay tonga.
Ny momba an’ilay sehatra ho an’ny mpidinika dia tena hevitra tsara tokoa ka dia hanokatra pejy ato amin’ny takelaka androany. Misaotra indrindra namone an’ily torohevitra.
[…] Tsiakoraka rehetra: Tsiakoraka Ny orijinaly misy capo: 4 G/B: x2003x C: tsara tendrena C C/G C (C/G: 332010) G/B: x2003x F': […]

Mirary soa.