Verse 1Dm Bb F
Efa voatety avokoa ny fotoana
Dm Bb F
Ireto isika roa dia mbola eo foana
Dm Bb F
Efa nandalo sedra, tsiky tomany
Dm Bb F
Izaho mbola eto, ianao koa mbola eo ihany
Verse 2Dm Bb F
Ka avelao aho mba hidongy, hitampify
Dm Bb F
Hoazoniko mafy ianao tsy ho avelako hidify
Dm Bb F
Dia aza asiana akory fanontaniana
Dm Bb F
Fa fantatrao ny ato am-poko ry tiana
Pre-chorus/refrain A7/Db Dm C/E F
Fa ho Mala__lako, Anjeliko, fitiavako
Gbdim7 Gm E/Ab A7
Ka hifameno sy hifanjohy…Tsy hifankafoy
Fiverenana/Chorus Bb F
Mahavariana, fa fifaliana
C Dm
Rehefa miaraka aminao aho tsy miafy
Bb F
Tsy voafefy, tsy voarefy
Aug7 A7
Efa voahenika fitia ny any anaty
Bb F
Rehefa tia, tena tia
C Dm
Mety ho adaladala kely 'ndraindray
Bb F
Na inona hanjo, na inona hiseho
Aug7 A7
Efa fo roa no nitambatr’ ho iray
Solo: Dm..Bb..F.... (2x)Verse 3Dm Bb F
Ny tsy hitia anao aloha sanatria
Dm Bb F
Ny foko efa nanaiky, efa vita sonia
Dm Bb F
Ny andro maloka, eny mety hitranga
Dm Bb F
Fitiavako anao aloha tsy ataoko misy banga
Verse 4Dm Bb F
Tsy hijery hafa, tsy ho lavitra ny saiko
Dm Bb F
F’ianao no akaiky ahy, ianao 'lay silaky ny aiko
Dm Bb F
Tsy foiko ho hatakalo, tsy foiko ho zaraina
Dm Bb F
Fa tokana iray anaty fo sy ny saina
Pre-refrain/Fiverenana
Hiran'i Tovo J'Hay rehetra: Tovo J'Hay