Ndao Hihira (Bessa sy Lola)

Hiran'i Bessa sy Lola rehetra: Bessa sy Lola

Fampidirana
         C            Am
An An An An, an an an an
      D            G
An An An..An An An An

Tonony 1
      G            C    Am
Na ianao sahiran-tsaina
        D          G
Sendra zava-tsarotra
     G         C    Am
Aza de miferin'aina
           D          G
Ndrao vao maika mihaimotra

Tonony 2 
     G          C   Am
Manefe saina mijoro,
      D         G
Mafy sy matanjaka
      G          C   Am
Ka reseo ny horohoro
       D           G
Dia meteza mba hitraka

     Fiverenana
             C           Am
     Ndao hihira, nda hihira
            D          G    
     Hira tsotra no hiraina
             C           Am
     Ndao hihira, nda hihira
            D         G
     Hiran'ny fitiavana

Tonony 3
        G       C   Am
Ny fifaliana mazana
       D          G
Tselatra f'hifarana
            G        C   Am
Fa raha tianao ny hitana
       D         G
Ao am-po ny hazavana

Tonony 4
     G          C    Am
Angalao mpanolokolo
      D         G 
Ny finoana marina
         G               C    Am
Fa izay rava eo mbola hisolo 
    D           G
Andro hafa hifaliana.

     Fiverenana
             C            Am
     Ndao hihira, ndao hihira
            D          G    
     Hira tsotra no hiraina
             C           Am
     Ndao hihira, nda hihira
            D         G
     Hiran'ny fitiavana

Tonony 5 
      G            C   Am
Mbola ao koa ny mahory
      D        G
Hikitroan'aizina
         G          C   Am
Tsy dia vaovao io akory
      D         G
Fa iobonan'ny miaina

Tonony 6
          G          C   Am
Sao dia 'zay mangirifiry
         D         G
Tratrin'ny famoizana
        G         C    Am
No hirario mba hikiry
        D          G
Tsy ho kivy, hanantena

     Fiverenana (2x)
             C            Am
     Ndao hihira, ndao hihira
            D          G    
     Hira tsotra no hiraina
             C           Am
     Ndao hihira, nda hihira
            D         G
     Hiran'ny fitiavana

Leave a comment

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.