Hiran'i Jeneraly rehetra: Jeneraly
Bm: x24432 Bb: x13331
D/F#:2x0232
Fampidirana (2x)
G D C G
C G D G
Tonony 1
G D C G
Ny toaka re mazana, tena fandrika malama
C G Am D
Mahatonga fahotana, ota be tsy hay tononina
G D C G
Ny toaka re indrisy, ny soa vitan'ny tsy misy
C G D G
Fa vao maika koa nampisy, olana eo amin'ny fiaraha-monina
Fiverenana
Am G
Maro be ireo mafy ady dia mbola misotro ihany misotro ihany
Am G
Ka efa hivarina any an-kady aza mbola misotro ô
Em D/F# Em
Tsy mety f'efa tena miankin-doha
C G D G D
Ka ny maraina vao mifoha, mangovingovitra
Tonony 2
G D C G
Ny toaka re ranamana, tsy mba sarotra hananana
C G Am D
Fa manary ny ao an-tanana, ny kely ananana no lasany
G D C G
Ny toaka re tsy ajanona, na dia mila tsy ahavanona
C G D G
Ho an'ny tsy mahalala onina, botakely lasa tapany
Fiverenana
Am G
Efa niova hatramin'ny endrika, mbola misotro ihany misotro ihany
Am G
Menamena hatramin'ny molotra mbola misotro ô
Em D/F# Em
Tsy misy ny fihezahana hiala
C G D G D
Fa rehefa tena lasa adala vao afaka
Tonony 3
G D C G
Ny toaka letsy rahalahy, be izay efa vita izay
C G Am D
Maninona raha hovaina indray, tsy sanatria ovaina daina
G D C G
Ny daina mantsy re-olona, fahavalon'ny fiaraha-monina
C G D G
Poizina tsy hay tononina, aretina manimba saina
Fiverenana
Am G
Rehefa hita fa tsy lasa intsony dia mba aok'izay, aok'izay
Am G
Tsy ho lany anie ny toaka sy rongony fa mba aoka e
Em D/F# Em
Maninona ary zavatra hafa indray hatao
C G D G E
Ndeha manova kilalao, mikitikitika
Tonony 4 (ambony)
A E D A
Izaho anie ry zareo, efa nisotro toa anareo
D A Bm E
Farany navelako eo, ny antony dia tsotra ihany
A E D A
Raha samy hisotro daholo ny vahoaka manontolo
D A E A Bb
Iza indray no hanolokolo, ireo mamo lava be vinany
Like this:
Like Loading...
Related