Ditsoka (Olombelo Ricky)

Hiran'i Olombelo Ricky rehetra:
Olombelo Ricky
Bb   x13331 Bb':xx33xx
C':  x35553
F: 1x321x   F/C: x332xx  (x3321x 
rehefa eo amin'ny tonony) 

Fampidirana (arpeggio etsy ambany)
F/C  C   C F/C
F..  Bb' C.. 

Tonony 1       
 F/C              C         F/C         F   Bb'-C
Ditsokao lasa ny fony  ontsaontsa ny fanahy 
     F/C           C           C         F   Bb'-C
Toa tafara-dalana teny, tsy mitovy ny ahiahy 
      F/C             C          C      F    Bb'-C
'Zay rehetra jerena ataony, toa mampiahiahy yeah

     Fiverenana (2x)
        Bb                      C'
     Haverimberiny eo matetika foana hoe 
           Bb               C'
     'Reo ratra napetrakao taminy 
       Bb                       C'
     Ataony resak’isan’andro mihitsy fa hoe 
         Bb                 C'
     Ny fonao ho_anazy fa tsy nindraminy
    
     Bb                 C
 Ny fonao ho_anazy fa tsy nindraminy

Tonony 2 (2x)
 F/C             C         F/C       F       Bb'-C
Mila odiaina ny fony, ho ataony ody fanina e 
       F/C               C       C          F     Bb'-C
Dia hitondray vakana any izy, fenoy raha milamina 

     Fiverenana (2x)
          Bb                        C'
     Tsy mety afaka ao an-tsainy mihitsy hono anie 
           Bb              C'
     'Lay nofy nitambaranareo farany 
        Bb                   C'
     Manenjika manaloka azy teny foana anie 
           Bb                 C'
     'Lay fofonao manitra fitiavana e

      Bb                 C'
'Lay fofonao manitra fitiavana e
Tetezana: F/C C   C-F/C
          F.. Bb' C..
Omaly sasakalina dia nisy fo iray
Nendahan’olon-tiany teny an-dalamben’ny nofy, 
Ny akoran’ny fitiavany dia 
Atao veloma farany eny ambony mpamoronakonaron-javatelony 
Tsy misy voninkazo fa tsy maintsy misy fiaretan-tory, 
Ka ny fasanao no fasany, indray aleviny aminao, 
Na ny ho avy na ny lasany, nefa ity no tadidio, 
Ny zavatra efa vita, isasahana mitovy
Na ny tsiaro na ny tsiky na bitika io na ditsoka 
Na ditra lasa ditsoka 

Famaranana
 F                   Bb        Bb          F       C-F
Ditsoka aho lasa ny fony, ontsaontsa ny fanahiny e 
 F                   Bb      Bb         F       C-F
Difotra aho lasa ny fony, misaona ny fanahiny e 
 F             Bb            Bb        F   C-F
Tafara-dalana teny fa tsy mitovy ny ahiahy 
          F           Bb          Bb     F   C-F
Zaho tsy very amboroa,  Zaho tsy very fanahy (2x) 
        F   Bb  F  Bb
Very fanahy 
                  F    Bb
Tomany any aho tomany  (4x)


Arpeggio intro
   F/C    C  C  F/C
e|-------------------
b|-------------------
g|-----2--0---------0
D|---3--------2--3---
A|-3------3---3--3--3
E|-------------------
   F . .   Bb C..
e|-----------------
b|---1-----------1-
g|-2--- 2--3--0--2-
D|---3-----3-------
A|------------3--3
E|-1---------------

Miala Tsiny (Bodo/Bessa)

Hiran'i Bessa rehetra: Bessa
Hiran'i Bodo rehetra: Bodo

Inspiration avy @ "version"-i Bodo sy Michel Randria
A7:    x02020
B7:    x24242  B11:   x21200
C#m:   x46654
D#dim7:x6757x  D#7:   xxx323  D7: xxx212
E7:    020100  E7*:   xxx434
Emaj7: x79897
F#:    244322  F7:    xxx545
G#:    466544

Intro (Demo ihany)
F7-E7-D#7-D7-E7*  B7

Tonony 1
E              E7                       A   
 Miala tsiny e,  miala tsiny aho havako o
        A(7)            E(add9)
Miala tsiny aho raha tomany e 
Emaj7    E      G#          
 Fa tsy tiako e,  tsy iniako 
C#m7      F#         B7            B7  
  Ho hitanao ny fahoriako e havako o 

     Fiverenana
      E                 E7                         A
      Fa tsy tsindry e,  tsy haiko intsony havako o 
           A7                D#dim7
     Efa niezaka aho marina mafy e 
            E          C#m7        
      Nefa re dia tsy hafy 
     F#      B7      E   A  E  B7
      Ny alaheloko anao 

Tonony 2
E              E7                       A
 Miala tsiny e,  miala tsiny aho havako o 
        A(7)             E(add9)
Miala tsiny aho, raha tomany e 
Emaj7  E     G#       
 Fa fahiny e  izaho ihany 
C#m7     F#              B7          B11 
 No nandrara tsy hanao izany, havako o 

     Fiverenana
     E              E7                  A
      Ankehitriny e,  ankehitriny tsapako
             A(7)        D#dim7
     Fa tsy zaka sy tsy toha_o 
         E         C#m7 
     Eny e, ny alahelo   
     F#           B7           E  A E B7
      Raha toa kobonina ao am-po 

Tonony 3
E            E7                     A
 Soava dia e,  tongava soa rahavako o
     A(7)        E(add9)
Nefa aza ela loatra e 
Emaj7  E7    G#
 Mitsikia e,  mifalia o 
C#m7    F#           B7              B11
 Fa ny foko raha mitroatra e, havako o 

     Fiverenena
     E           E7                A
      Dia fitia e  ho doria havako o
           A7        D#dim7
     No manesika azy ao 
            E         C#m7      
     Eny_e fa miala tsiny e
     F#            B7        E  A E B7 
      Raha toa mampitomany anao
     E

Vetsovetsoko (Kiaka)

Hiran'i Kiaka rehetra: Kiaka
Em-D-C-G/B:xx2x00-xx023x-x3xx10-x2x00x
Bb: x13331
Cm: x35543
D#: x68886
Em: 022000 dia asiana 022010 eo amin'ny
tonony 
G6: 32001x G#: 466544 Gm: 355333

Fampidirana
Am C  F  E (6x)

Tonony 1
 Am        Em
Toa irery foana aho 
         F        G6
Raha tsy eo anilanao 
   Am      Em
Mirenireny eny ho eny 
 F           Em-D---C--G/B   
Ka manembona a_nao foana 

Tonony 2
   Am        Em 
Mijery ireo zava-boary 
 F         G6
Manodidina ahy 
    Am         Em
Ny siotsiokam-boronkely 
   F          Em-D-C
Mamelombelon’ny fanahy 

     Fiverenana
         F          Em     Dm           G
     Ny rivotra mitsoka manerana ny tontolo 
            F         Em      Dm         G
     Toa mitondra ny feonao miantsoantso ahy 
          Am C  F E
     Ho anao (2x) 

Tonony 3
 Am       Em
Misy hery amiko 
   F           G6
Manainga ny fanahy 
 Am                Em
Hery tsy misy mahatohitra 
 F               Em-D---C-G/B
Raha tsy ianao ire_ry ihany 

Tonony 4
 Am      Em
Paradisa eto an-tany 
    F              G6
No fahafantarako anao 
   Am      Em
Mamalifaly ahy hatrany 
      F          Em-D-C
Toa izany koa ve a_minao

     Fiverenana
         F          Em     Dm           G
     Ny rivotra mitsoka manerana ny tontolo 
            F         Em      Dm         G.....
     Toa mitondra ny feonao miantsoantso ahy 

Famaranana
Bb          F     Bb         F
  Teo no nifarana   ny vetsovetsoko 
G#       D#        G.....
  Nampiononiko ny fo
Bb            F  Cm           Gm
  Ny hirahiranay  no nokalokaloiko 
     D#         F         G
Ka miezaka mba hanadino anao 
    D#         F         G
Mionona re ry foko tia anao

Harmonia (Bessa sy Lola)

Hiran'i Bessa sy Lola rehetra:
Bessa sy Lola
Ny kle orijinaly dia C (asio capo: 3)
A/C#: x4222x
Bm:   x24432
F#m:  244222

Tonony 1
  A                             D
Izay feon-kira izay feon-kirantsika 
   A                            D
Henoy tsaroanao ve 'zay ilay mozika 
   G         A     F#m          Bm
Natao fidirana taorian’ny litorzia 
   E                      A
Ianao nitendry ilay harmonia 

Tonony 2
  A                            D
Izay feon-kira izay tsaroako tsara 
    A                      D
'Zahay sy nenitoa niditra tara 
   G          A       F#m       Bm
Tery aloha tery, vao nisy toerana 
    Em       A         D
Fa voka-dehibe tamin’izay 

     Fiverenana
     A           G           D
     Andro Paka moa io andro io 
      A         G          D
     Hipoka avokoa ny dabilio 
          G           A/C#   A        Bm
     Vao niditra izahay dia hitako ianao 
        Em      A        D
     Nitendry ilay harmonia 

Tonony 3
   A                  D
Nitodika ianao nijery ahy 
     A                          D
Toa te hitsiky angaha nefa tsy sahy 
  G            A     F#m          Bm
Izaho sadaikatra, namindra saikatra 
    E                        A
Saiky tsy afa-nandeha raikitra 

Tonony 4
  A                           D
Niondrika aho satria menatra mafy 
   A                          D
Hilefa ho aiza moa voatery nihafy 
    G         A     F#m          Bm
Ny doboky ny fo, injao fa mafy ery 
      Em           A        D
Toa hoe hihoatra ilay harmonia 

     Fiverenana
       A            G           D
     Tsy dia fantatro izay lohateny 
      A          G            D
     Ny hany tsaroako dia ny feony

     Fiverenana (2x)
           G                A/C#      A          Bm         
     Fa ho ahy mantsy dia izay, 'lay feona harmonia 
           Em     A      D
     Feon-kira milaza fitia

Bonne Chance (Belahy)

Hiran'i Belahy rehetra: Belahy
Bm: x24432
F#m:244222
Fampidirana
D  A  G   D (2x)
A  D (3x)

Tonony 1
      Bm            Bm                  A
Tena babo tokoa ny foko vao nahita an-droky 
       A                G             G                  D
Tsy nahita ny lalan’kombana, saiky hidofotra tamin'ny tolana
    D              A              A                      D   
Ny vavako tsy nahatana, f'avy hatrany dia niantso hoe Malala 

Tonony 2
      Bm                 Bm          A
Dia niaraka isika ka nanjary nifankatia 
     A                G        G                      D
Isan’andro dia miara-dia, mifamihina rehefa hande ha hody
       D          A           A                 D
Dia nanao revy totozy, fa satria mbola tsisy papozy
       
Tonony 3
      Em               G                 A            D
Ary isika tsy zatra mihafy satria nanam-bola tahirim-banky 
        Em            G                A                D
Tamin'izany rehefa mirozy mandeha picklahy fa tsy ligne onze
          Em                 G           A               D
Tonga hatrany amin’ny restaurant rehefa kamo mahandro babà 
       Em            G                A               D
Dia nihinana sady nisotro tsy nisy nivavaka tamin'ny Tompo 

Tetezana
        G                A             D     
Ankehitriny ny zaza efa dimy fa aza kizitina 
      G                A                 D
Dia hiakatra enina indray io satria efa bikina 
       G              A                 D
Ny antsika ny tahiry kely efa foana sy kikina 
   G                A           D
Ianao mbola te hi-style andeha bigle 

     Em                 F#m           G               A
Efa tena tsy zakan’ny tsena ny vidim-bary, savony sy hena 
              D
Hatramin’ny frais 
        Em            F#m               G
Ka ho tsofiko rano ianao raha toa ka handeha 
          A                D
Hanao ny revin’ireo kala be 

      A                 D
Fa i Papa tsy manao vengeance 
    A                 D
Avelao ny papozy hi-stance 

     Fiverenana (2x)
            Bm         A
     Soava dia, soava dia e 
            G                  A         D
     Soava dia raha handeha ho any Etats Unis
             Bm            A
     Bonne chance, bonne chance e
             G          A               D
     Bonne chance ianao   raha ho any France 

Tetezana/Solo: D  A  G  D (2x)
               A  D (3x)

Tonony 4
   Bm                Bm                A
Ianao no mahalala milaza fa hoe tsy tamana 
       A              G         G                    D
Tsy maninona fa mandehana, fa izaho tsy mahay fahagagana
     D               A           A              D
Hanafahana ny fahantrana, fa satria aho kely karama        

Tonony 5
      Bm               Bm            A
Nanantena ny hilamin-tsaina hahazo fiara 
      A                G          G                   D
Zava-doza no indro mitranga, mikorontana hatramin’ny zaza 
     D                A           A               D
Isan’andro dia miady lava, tokantrano aza efa ho rava 

Tonony 6
   Em              G              A               D      
Ianao tsy manaiky resy, manara-damaody manenjika fety 
      Em                  G                   A             D
Ny ankizy ato an-trano mitombo, mitombo isan-taona mifanesisesy 
       Em               G               A              D
Tokantrano nivarina an-kady fa isika mivady tsy nanao kajy 
            Em              G            A               D               
Ka vao tratran’ny embouteillage sy délestage dia hisara-bady

Tetezana
        G                A             D     
Ankehitriny ny zaza efa dimy fa aza kizitina 
      G                A                 D
Dia hiakatra enina indray io satria efa bikina 
       G              A                 D
Ny antsika ny tahiry kely efa foana sy kikina 
   G                A           D
Ianao mbola te hi-style andeha bigle

     Em                 F#m           G               A
Efa tena tsy zakan’ny tsena ny vidim-bary, savony sy hena 
              D
Hatramin’ny frais 
        Em            F#m               G
Ka ho tsofiko rano ianao raha toa ka handeha 
          A               D
Hanao ny revin’ireo kala be 

      A                 D
Fa i Papa tsy manao vengeance 
    A                 D
Avelao ny papozy hi-stance

     Fiverenana (2x)
            Bm         A
     Soava dia, soava dia e 
            G                  A         D
     Soava dia raha handeha ho any Etats Unis
             Bm            A
     Bonne chance, bonne chance e
             G          A               D
     Bonne chance ianao   raha ho any France

Tretrika (Olombelo Ricky)

Key:  G
Am7:  x02010
C/G:  3x201x
D/F#: 2xx23x Dsus2: xx0230
D/G:  3xx23x Dsus4: xx003x
G6:   3xxx30 G/B:   x200xx

Intro (2x)
G..G6..
C Dsus2 (2x)

Verse 1
G      D/G  C/G             G
 Rahoviana ihany ho’aho, rahoviana 
C       G/B    Am7      Dsus4
 Vao hifampizaràna ny hafaliana 
G     D/G    C/G              G            
 Rahoviana ihany ho’aho, ambarao 
C        G/B  Am7   Dsus4
 Sao dia ela loatra any ianao 

---> Intro

Verse 2
G       D/G      C/G         G
 Jerijereo eny ihany aho f’aza ariana 
C        G/B   Am7       Dsus4
’Lay masoandronao toa mitanila 
G       D/G       C/G         G
 Tazatazano eny ihany aho,f’aza_adino 
C         G/B Am7        Dsus4
 Fa ny angolanao feno fifaliana           

     Chorus (2x)
     G                       G
      Tretrika ho’aho ’zaho tretrika e          
     C                          D
      Tsy tsaroako masoandro milentika e!          
     G                        G
      Tretrika ho'aho 'zaho tretrika e
     C                   D
      Sitrana ’mbam’ny aretiko 

--->Intro 

Verse 3
G       D/G    C/G        G
 Mba zarao am’zay ary ny hazavana 
C             G/B      Am7             Dsus4
 Dia miara-manonja aminao ’zaho sy ny hafanana 
G       D/G      C/G      G
 Amboamboary am’zay ’zah, amboamboary 
C      G/B  Am7       Dsus4
 F’efa ela loatra no narary 

---> IntroT

Verse 4
G      D/G    C/G        G
 Te-hihaino anao ’zaho, te-hihaino 
C         G/B      Am7        Dsus4
 Miara-mihaina aminao ’zah, miara-mihaina 
G      D/G     C/G         G
 Miara-ory aminao ’zaho, miara-faly 
C      G/B     Am7        Dsus4
 Te-hihira am’zay ’zaho, mahatsiaro

     Chorus



Hiran'i Olombelo Ricky rehetra: Olombelo Ricky

Anaro Aho (Njakatiana)

Hiran'i Njakatiana rehetra: Njakatiana
Dm7: xx0211
Em7: 022033
G/B: x2003x

Fampidirana
C (2x)

Tonony 1
C       G             Am        Em
Efa niezahako ny tsy hahasarika ahy 
 F      D      G-Am-G/B
Hitsiriritra anao 
 G       E     
Nefa ny foko 
   Am           G          F
Mitady handresy ahy rehefa eo ianao 

Tonony 2
   C       G            Am      Em
Nihafiako koa ny tsy hibanjina foana 
 F      D     G-Am-G/B
Hanopy maso anao 
 G       E       Am  F
Fa misy hery maimaimpoana 
C      G   C
Anaty masonao 

Tetezana
 F     Em7     Dm7       G      C
Nefa izaho tsy afaka ny hanan-droa 
F                     Em7
oh hey eh oh ouh oh, miady ny saiko 
 Bb               G
Tena mahavaky ny loha 

     Fiverenana
      C               Em      Em       F   Dm   
     Ka iangaviako ianao ho mpananatra ahy 
      G                            G      C   G/B-C-G/B-C
     Dia mba tsy hahalasa anao ho fakampanahy 
      Em   Am       F          Am  G        D
     Raha toa ka ianao mantsy no mba miteny ahy 
      F                             G            
     Dia tsy maintsy hanaiky aho satria 
             C
     Tiako anao 

Tetezana: Em Am  F Am G D 
          F  G   C

Tonony 2/Tetezana

    Fiverenana (2x)

Fitia Sahala (Nirina sy Liva)

Hiran'i Nirina sy Liva rehetra: Nirina sy Liva

Fampidirana
E  C  (2x)
E  Am 
G  C
Am G  F C  F  Am G
Am G  F C  F  G  C
E

Tonony 1
Am      G      C
Eny hoy aho ry aiko
 G               C
Faly anie izany saiko
    Am  G  F   C
Fa toa ny faniriako
    F     Am        G
Eto anilanao re ry tiako
 Am  G  F   C 
Toa ny faniriako 
    F     G         C    E
Eto anilanao re ry tiako

Tonony 2
Am      G       C
Eny hoy aho ry lala
   G               C
Lazaiko tsy misalasala
     Am   G     F       C
Fa tretrika sy sambatra aho
    F     Am       G
Fa tena mba tojo anao
  Am   G     F       C   
Tretrika sy sambatra aho
    F     G        C  D
Fa tena mba tojo anao

     Fiverenana
      G              D
     Tiako ianao ka tiako
        C          G
     Ianao no fifaliako
        G          C   Am
     Ianao no nofidiko
         D            G
     Satria ianao no tiako
         C         Em
     Indreto ary isika izao
     F        C
     Efa mahalala
           F              C
     Fa ny ato am-poko sy ao am-ponao
          D            G
     Dia tena fitia sahala

       C         Em  F        C
     Izaho sy ianao samy mahalala
           C     Dm     Em       F  
     K’handeha isika manomboka izao
       C        G        C
     Hiombom-pitia fa sahala 
          C     Dm     Em       F       
    K'handeha isika manomboka izao
      C        G        C   E
    Hiombom-pitia fa sahala

Tonony 3
       Am   G     C
Na ho mamy na hangidy
  G              C       
'Sika ef'iray safidy
    Am     G          F     C
Ka na ho tsara na_ho_ratsy koa
     F      Am    G
Dia vonona hifanasoa
 Am     G          F     C
Na ho tsara na_ho_ratsy koa
     F      G     C  E
Dia vonona hifanasoa

Tonony 4
      Am    G      C 
'Reo lasa izay nahaory
  G              C
Tsy ahoantsika akory
  Am    G    F    C
'Reo toloko sy tomany
   F          Am     G
Hisolo hiram-pitia izany
  Am    G    F    C
'Reo toloko sy tomany
   F          G      C   D
Hisolo hiram-pitia izany

    Fiverenana
      G              D
     Tiako ianao ka tiako
        C          G
     Ianao no fifaliako
        G          C   Am
     Ianao no nofidiko
         D            G
     Satria ianao no tiako
         C         Em
     Indreto ary isika izao
     F        C
     Efa mahalala
           F              C
     Fa ny ato am-poko sy ao am-ponao
          D            G
     Dia tena fitia sahala

       C         Em  F        C
     Izaho sy ianao samy mahalala
           C     Dm     Em       F  
     K’handeha isika manomboka izao
       C        G        C
     Hiombom-pitia fa sahala 
          C     Dm     Em       F       
    K'handeha isika manomboka izao
      C        G        C   
    Hiombom-pitia fa sahala
E

Tetezana: Am G  C 
          G  C
          Am G  F C
          F  Am G
          Am G  F  C
          F  G  C..D
          
     Fiverenana

Neny (Mahaleo)

Hiran'i Mahaleo rehetra: Mahaleo
Hiran'i Bekoto rehetra : Bekoto 

Key: Em (G)
Ny B7 eo amin'ny Em-B7-Em-(D7/F#) 
dia x24242
A7:   x02020
B7:   x21202  B7/F#: 2x1202
C/E:  032010
D7/F#:2xx21x  D/F#:  2xx232
G6:   3x0030


Intro
G6..F..| C/E....
A7.... | D....
F#..B7-B7/F# | Em....
C..D/F#..| Em-D/F#-Em-D7/F#

     Chorus
      G    F         C/E
     Neny neny neny neny
      A7                   D
     Neny nitondra biby ankibo 
      B7     B7/F#     Em  
     Neny nibaby varatra 
      C     D         Em-D/F#-Em
     Neny fola-damosina   

Verse 1
Am                       Em
 Nitaiza biby antrano ianao   
               B7
Raha tsy afolakao   
      B7          Em
Tonga izy dia hitroatra   
Am                       Em
 Raha lasa gaigy ny zanakao   
         B7          
Hisavorovoro ireo olona   
           B7        Em-D/F#-Em-D7/F#
Handeha hamono ilay biby

     Chorus  

Verse 2
Am                 Em
 Tantananao ny diany   
       Em        B7
Itsahiny ny lohanao   
        B7        Em
Nefa ianao tsy hiteny   
Am                Em
 Hihazakazaka handeha   
        Em          B7
Ny volana sy ny taona   
          B7           Em-D/F#-Em-D7/F#
Ho aiza izao ’lay zanakao
     Chorus


Verse 3
Am                  Em
  Vaky ny tafotranonao  
       Em        B7
Hanidina ny zanakao   
       B7        Em
Hanaraka ny habakabaka  
Am                    Em
 Zaza teraka amoron-drano   
         Em       B7
Hanonja ny fiainany   
         B7          Em-D/F#-Em-D7/F#
Hohadinony 'lay reniny
      Chorus


Vinanto (Tirike)

Hiran'i Tirike rehetra: Tirike
Capo: 2 (D ny kle fa tsy misy capo dia
C=D, D=E, G=A, Em=F#m)

Fampidirana: C  D  G (2x)

Tonony 1
              C           D
Fa misy ndroa andro izay e
                G     Em
Tsy nahitako an’azy e 
           C      D
Tsy haiko marina_e
              G
Ty tany nandehanany_e 

Tonony 2
              C       D
Tsy ady nifanaovanay e 
            G      Em
Nilany ty tranonay 
          C        D
Fa de nandeha anao 
              G   C..D..
Tsy mba nanambara       

     Fiverenana (2x)
      G      C            G     C..D..
     Vinantonao baba tsy hitako
      G         C               G
     Zanakao rafozako fa tsy anjara 

Tonony 3
            C         D
Aza omena tsiny izy e 
               G      Em  
Fa fomba valy zatse e 
       C    D
Laha teagne  
           G      
Mampisy korontagne 

Tonony 4
            C     D
Iha tsy mandineke 
           G     Em
Fa mora mivalike 
        C  D
Halignonao 
           G       C..D..
Voady nifanaovagne

     Fiverenana (2x)
      G      C            G     C..D..
     Vinantonao baba tsy hitako
      G         C               G
     Zanakao rafozako fa tsy anjara 

Tetezana: C  D  G (2x)

Tonony 1/Tonony 2/Fiverenana