Namako Ianao (Mahajanga) – Rija Oelijaona

Hiran'i Rija Oelijaona rehetra: Rija Oelijaona
B7:  x21202 na B: x24442
C#m: x46654
F#m: 244222

Fampidirana (2x)
E..B7..A..E..B7

Tonony 1
         E
Fotoana fohy na herinandro angamba izay 
B7                     A
 No teto Mahajanga izahay 
                 E
Tsy nanana an’iza  hiresahana 
        B7     D    A
Na hizarana hafaliana 
   E            B7
Nahalahelo fa irery 

Tonony 2
       E                                        
Mitazatazana ireo mpandalo 
B7                     A
 Na koa mikalokalo f’izany moa 
              E                   
No fialam-boly ankafiziko 
         B7              D      A
Rehefa irery eny aho ka manary dia 
     E        B7
Dia hira no tiako 

     Fiverenana
                C#m
     Indray antoandro be migaina 
          B7                 
     Iny nisy tovovavy iray 
        A                   
     Nirava nianatra izy angamba 
     E                           B7         
      Na koa asa lahy, na mba ho aiza 
          D   A     E
     Fa niavaka sy hafa 

             C#m
     Fa jefijefy sy kanto ery 
           B7
     Ny fihetsiny mitomban-dahy 
         A                   E
     Sariadriaka endrika, baliaka
                      B7  
     Sahisahy, nahavariana
         D    A      E
     Nambabo fo,nahafatifaty   

Tetezana
 E     F#m       B7         E    A  E
Hay ianao no nandalo ahy ianao...An (2x)

Tonony 3
       E
Nifanadala teo isika 
B7                A
 Nifananihany, nifampikopa-tanana 
    E
Nitsiky, nihomehy 
       B7            D         A
Ary nidify ianao, nefa tsy nandao 
        E              B7
Ny eritreritro, fa nitoetra 

Tonony 4
        E
Taty aoriana kely, nifankalala isika 
B7
 Nifankazatra satria 
     A                    E
Ny tranontsika moa nifanakaiky rahateo 
          B7        D     A   
Ka dia nifankahita matetika 
           E            B7
Toy ny mpiray tanàna rehetra 

     Fiverenana
                C#m
     Toy ny mpinamana rehetra 
           B7
     Dia tsy nisalasala aho 
        A                 E
     Nanadikadina izay rehetra momba anao 
             B7           D   A
     Ary mba iza moa no anaranao 
       E
     Mba lazao 

             C#m                   B7
     Ianao koa moa tsy nihafahafa-teny
             B7              
     Dia nitsotra hoe
           A                    E
     Raha tianao ho fantatra ny ahy dia "Josée" 
             B7              D           A
     Ary mba iza ho’aho no hiantsoako anao 
           E
     Sao "Rija" 

Famaranana
 E   F#m       B7          E A E
Hay moa fantatrao ny anarakooooo 
 E     F#m     B7          E A E
Faly aho fa lasa namako iana_o (2x)
 E   F#m   E  A  E