Hiran'i Samoela rehetra: Samoela
FampidiranaAm F G C
F G C
F G C
Tonony 1
C G F C
Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa
F C F G
Mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha
C G F C
'Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava 'ty niafarany
F C F G
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa
Tetezana
Am G Am G
Toa latsalatsa sy vazavaza, ianao no tena basy vava
Am G Am G
'Lay fianakaviana koa mba niangaviana maika koa nanisy sira
Am G Am G
Mamoron-dainga sy mifosa lava ô tsisy zavatra mazava
Am G Am G
Miantsaravelatsihy, misaron-tava, fita-bitro lalan-dava
Am G Am G
'Lay tokantranontsika mila ho rava, tsisy mba nandanjalanja
Am G Am G
Ketoketoka matetitetika maka lagy sy manjetoka
Am G Am G
Manana ny adala ka manampi-bava, aiza ihany lay mazava
Am G
Rahoviana re vao mba hisava
Am G C
Hangatahana amin'ny Avo lalandava mafy fa satria
Fiverenana
F G C F
'Zaho mbola tia an-dry
G Am F
Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
G C
Mahita tsirony amin-dry
Tonony 2
C G F C
Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa
F C F G
Mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha
C G F C
'Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava 'ty niafarany
F C F G
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa
Tetezana
Am G Am G
Le mody ato an-trano tsisy teny mamy fa laginina avy hatrany
Am G Am G
Manangam-bovona tsy mety mirana, mampandainga manahirana
Am G Am G
Ny hasarotam-piaronao mameno trano, iretsy koa milaza angano
Am G Am G
Tsy maraina tsy hariva tsy antoandro zany no analanao andro
Am G Am G
Ny ato an-trano lasa tsakinady, ati-kena miampy lagy
Am G Am G
Vao lalovan'ny mpanatsatso d'efa mahonena sy mijaly
Am G Am G
Isika roa angamba hitokamonina any alavitra tsy koboko any
Am G Am G C
Any angamba mahafinaritra e, Angatahana amin' tena Andriamanitra satria
Fiverenana
F G C F
'Zaho mbola tia an-dry
G Am F
Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
G C F
Mahita tsirony amin-dry
G C F
Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
G C
Mahita fafiny amin-dry
fa hony wa misy apk vé ito
Tena tsy misy fa wordpress ihany