Efa Ela (Mahaleo)

Intro: Dm..Dm/C..| Bbmaj7....
       Gm7....   | A7....

Verse 1
Dm               A7                  D F#m7
Efa ela aho no niandry, 'zao andro izao
 Em                 A7    A/G  
Hatrizay aho tsy tafandry
        F#m..Em..A7sus4-A7
Fa nitalao

 D          D/F# G  
Zava-pona e     ny miaina
 E7          A7                  Dm       
Maizindalana aho raha toa_ka tsy_eo ianao

Verse 2
Dm                A7          D F#m7
Efa ela aho no naniry ny tananao
  Em            A7   G/A           
Mba hamihina ny ahy  
             F#m..Em..A7sus4-A7
Eo an-tratranao

 D         D/F# G
Zava-pona e    ny miaina
 Em           A7            Dm       D7
Zovy no hantenaina raha tsy eo ianao

Bridge
Gm                            D7/F#                     
Ao avokoa 'reo mety hampisaraka  
G7        E7/G#                 Am7 
Ao avokoa   'reo mety hampivarina  
 D7   Gmaj7 E7 
Ny fitia
       Am7    D7   C       D   G  A7b9                  
Izay niombonana, izay niombonana

Verse 3
Dm                A7               D  F#m7
Efa ela aho no naniry, hiaraka aminao
 Em              A7           
Hadinoy anio ny lasa 
          F#m..Em..A7sus4-A7
Raha vitanao

 D    D/F#   G  
Zava-pona e ny rehetra 
 Em       A7                  Dm         
Zaza very aho raha toa_ka tsy_eo ianao

Verse 4
Dm               A7           D F#m
Efa ela loatra izao, mba matokia
Em              A7 A/G       
Aiza re ny lalanao   
             F#m..Em..A7sus4-A7
Andao hiara-dia

  D      D/F#   G  
N'aiza n'aiza alehantsika 
  Em          A7        Dm         
Hiara-hifampitantana  izaho sy ianao
Outro
 Gm                   D7/F#                     
Lalalala lalalala  lala
 G7      E7/G#     Am7 D7    Gmaj7 E7
Lalalala  lalalalala   oh oh oh 
      Am7      D7      C      D    G                    
Lala lalala lala  lalala lalala lala

A7b9: x02323 A/G: 3x222x
Dm/C: x3x231
E7/G#:4xx434
Gmaj7:3x443x

Kamboty Velon-dray (Tarika Hasina)

Hiran'i Tarika Hasina rehetra: Tarika Hasina
Am7: x02010
Dm: xx0231
F:   133211 (1x3210 eo amin'ny fampidirana)
G7:  320001

Fampidirana
C Am7 F G (2X)

Tonony 1
 C           C             F          Dm
Toy ny zanak’ondry very an’efitra izahay
         G                  F         G
Tsy mba misy ny hanorotoro sy hananatra
 C          C            F           Dm
Dada o miverena ianao, f’aza ny hadisoan’i neny
  G7                    C
Noentina hampijaliana anay

     Fiverenana
      Am                      Dm
     Ho kamboty velon-dray ve izahay 
            G                  F          G
     Ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo
          C
     Namanay 
           Am                       Dm
     Very vahatra izahay toy ny masoandro 
            G                        F         G
     Ny masoandro vao miposaka ka hilentika sahady 
         C
     Ho maizina 

Tetezana (2x): Am  Dm G.. 
               F G C G

Tonony 2
  C          C        F      Dm
Tsy safidim-ponay re ny ho ety an-tany 
 G              F G
Fa ny fitiavanare_o 
  C             C        F                      Dm
K’aza avela ho malok’ila  ny androm-piainanay ety an-tany
 G7                        C
Fa mahatsiaro ho irery izahay

     Fiverenana
     Am                   Dm
     Ireo namanay mpiara-milalao  
          G                F              G
     Mitanisa falifaly fa manan-dray mahavita izao
           C
     sy izao 
                 Am                      Dm
     Ny ato an-trano anefa, zara raha mitafy
         G                 F            G
     Fiafina lava tsy mba manan-dray hanafy 
              C Am7 F  G
     Nilaozanao          (3x)

Manahy Aho (Mahaleo)

Hiran'i Mahaleo rehetra: Mahaleo
Hiran'i Dadah Rabel:     Dadah Rabel

Capo: 4 (miovaova arakarak'ilay mpihira 
miaraka amin'i Dadah)

Tendry Gasy (CGDGBE)
Am/C:    0x2210   Am:    22210
C:       0x2010   C/E:   4x2010  C/G: x02010  
C7:      0x5557   Cmaj7: 0x2000
Ddim/G#: x1x131   Dm:    2xx231
Em7:     4x5433   E/G#:  x12100
G:       x05433 na x03430  
F5:      553xxx
   
Fampidirana
C Dm G C
Tonony 1
   C                           C/E            Dm  
Manahy aho, ho hataonao toy ny sary indray mipika
    G                             C    (-C/G C C/G)
Na koa toy irony fasika hoentin-driaka
    C7   Em7          Em7       Dm  
Ny foko tia   fa ts’isy fiarovana
   Ddim/G#                    C
Manahy  ny hataonao fandalovana
        G     E/G#  Am
Hozary fahatsiarovana 
        G     E/G#  C
Hozary fahatsiarovana

     Fiverenana (2x)
     C         Am/C  Cmaj7              C
      Tsara angamba,       raha dieny izao
     Dm
      Dieny mbola tia ahy ianao
     Dm               G               C...
      Hoy aho hoe ny mety hatao mifandao

Tonony 2
   C                           C/E      F5    Em Dm 
Manahy aho, ho hataonao toy ny aloka miserana
    G                             C    (-C/G C C/G)
Na koa toy irony mamy tojo fahataperana
    C7   Em7         Em7         Dm  
Ianao voky fitia fa natao tsara fahana
  Ddim/G#                   G7  C
Izaho toy ny lovia avy nihinanana
         G E/G#   Am
Hozary atosi-tànana 
         G E/G#   C
Hozary atosi-tànana

     Fiverenana (2x)
     C         Am/C  Cmaj7              C
      Tsara angamba,       raha dieny izao
     Dm
      Dieny mbola tia ahy ianao
     Dm               G               C...
      Hoy aho hoe ny mety hatao mifandao

Tonony 3
        C                    C/E       F5     Em Dm 
Tsy ho fahavalo fa hisaraka toy ny mpihavana
 G                           C    (-C/G C C/G)
Ka ny tsara ihany no hifanodiavana
    C7     Em7      Em7         Dm  
Ka raha mifankahita any aoriana any
       Ddim/G#             C
Hiara-hitanisa ireo andro mamy
          G    E/G#    Am
Toy ny fitia tsy mety lany 
          G    E/G#    C
Toy ny fitia tsy mety lany

     Fiverenana (2x)
     C         Am/C  Cmaj7              C
      Tsara angamba,       raha dieny izao
     Dm
      Dieny mbola tia ahy ianao
     Dm               G               C...
      Hoy aho hoe ny mety hatao mifandao

Tendry Tsotra (EADGBE) 
Am/C:    032210 C7:  x3x557 Cmaj7: x32000 
C/E:     0x2010 C/G: 3x2010 
Ddim/G#: xxx131 Dm:  xx0231 
Em7:     0x5433 na 022033 
E/G#:    422100 
F5:      553xxx

Avelao Hifaly (Bodo)

Hiran'i Bodo rehetra: Bodo

Tonony 1
C                     A             Dm
 Fa hafanana hafa indray no tadiavinao 
    Dm      G                       C
Satria efa maty ilay niaraha-namindro 
        C          A                     Dm
Fo sy fiainana vaovao no ndeha ho potehinao 
       Dm            G            G            C  A          
F’efa rava tsisy intsony ny teo aloha rehetra te_o 

     Fiverenana (2x)
      Dm     G    
     Hainao ny misangy ireny 
      Em          A
     Hainao ny manimba fo mandratra 
             Dm          G         
     Fa tsy hainao ny mamela azy ireny 
         C   A   
     Ho faly 

Tetezana: C Am Dm  Em-F-G C

Tonony 2
C                  A                Dm
 Ny takaitra avelanao tsy ho voafafa_ 
       Dm          G                     C
Ny alahelo anatiko ao no sisa mandatsa ahy 
        C           A                 Dm
Raha odiana tsy tsaroana,tsy ela akory_ 
       Dm        G                C   A          
Dia miverina indray mamaivay ny afony 

     Fiverenana (2x)
      Dm     G    
     Hainao ny misangy ireny 
      Em          A
     Hainao ny manimba fo mandratra 
             Dm          G         
     Fa tsy hainao ny mamela azy ireny 
         C   A   
     Ho faly 

Famaranana
      Dm           G
Sitrapo niaraha-nanao 
        Em     A
Nefa ianao afaka 
        Dm        F  G
Ankehitriny aho izao 
        C  A
Mifatotra__ 
          Dm         G
Ny hambo-po anatiko ao 
           Em         A
Tsy ho hainao fantarina 
        Dm      G           A
Tsy ho valifaty  fa fitiavana

Aleo Aloha (Ambondrona)

Hiran'i Ambondrona rehetra: Ambondrona
Bb:  688766
Cm:  x35543
G#:  466544 G:   355433
...: Taritina in-3 ilay naoty

Tonony 1
Cm                     Cm            G#
 Toa tsy_haritro ihany,  ny hiandry anao 
  G               
Niezaka ihany aho fa toa 
Cm             Cm            G#
 Ho mafy ihany, tsy ho eo ianao 
    G                     G#  
Ho rava ve reo zay efa natao
     Bb                                G#
Tsy maintsy mbola hihaona indray andro_any 
  Bb   
'zaho kosa hiteny hoe 

     Fiverenana
               Cm
     Tsy andrinao
            G#
     Tsy_ho_kivy aho anefa
            Bb                       Cm
     Tsy hitàna anao akory aho mandehana
            G#  
     Tsy_ho_ahy intsony ny fonao
       Bb                            Cm...
     Aleo aloha samy haka ho azy indray 

Tonony 2
Cm                  Cm          G#
 'Zaho koa nino, ho eo foana ianao 
    G#                      G             
Indrisy fo vaky, sento sisa iny lasa ianao  
Cm                Cm             G#
 Tsy alaelo ihany  na koa hoe tomany 
    G                           G#  
F’izaho anefa mbola hitraka hatrany
    Bb                        G#
Ny momba anao koa efa lavitra ahy 
   Bb   
Taraina sisa ny ahy hoé

     Fiverenana (2x)
               Cm
     Tsy andrinao
             G#
     Tsy_ho_kivy aho anefa
            Bb                       Cm
     Tsy hitàna anao akory aho mandehana
            G#  
     Tsy_ho_ahy intsony ny fonao
       Bb                            Cm...
     Aleo aloha samy haka ho azy indray

Rava (Samoela)

Hiran'i Samoela rehetra: Samoela

Fampidirana
Am F G C
   F G C
   F G C
Tonony 1
     C           G                  F                 C
Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa 
    F                   C      F                G
Mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha 
  C                  G                 F             C       
'Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava 'ty niafarany 
   F                  C          F                  G
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa 

Tetezana
     Am            G           Am               G
Toa latsalatsa sy vazavaza, ianao no tena basy vava 
       Am          G                   Am               G
'Lay fianakaviana koa mba niangaviana maika koa nanisy sira 
   Am                 G           Am             G
Mamoron-dainga sy mifosa lava ô tsisy zavatra mazava 
      Am               G           Am               G
Miantsaravelatsihy, misaron-tava, fita-bitro lalan-dava 
      Am               G              Am               G
'Lay tokantranontsika mila ho rava, tsisy mba nandanjalanja 
 Am           G          Am                G    
Ketoketoka matetitetika maka lagy sy manjetoka 
 Am              G               Am                G
Manana ny adala ka manampi-bava, aiza ihany lay mazava
      Am                G            
Rahoviana re vao mba hisava
      Am                 G              C
Hangatahana amin'ny Avo lalandava mafy fa satria

     Fiverenana
     F  G                  C  F
      'Zaho mbola tia an-dry 
       G              Am                 F
     Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
        G                  C 
     Mahita tsirony amin-dry

Tonony 2
     C           G                  F                 C
Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa 
    F                   C      F                G
Mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha 
  C                  G                 F             C       
'Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava 'ty niafarany 
   F                  C          F                  G
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa

Tetezana
    Am                 G              Am                 G
Le mody ato an-trano tsisy teny mamy fa laginina avy hatrany 
   Am                G            Am               G
Manangam-bovona tsy mety mirana, mampandainga manahirana 
    Am             G                  Am                 G
Ny hasarotam-piaronao mameno trano, iretsy koa milaza angano 
  Am                     G            Am              G
Tsy maraina tsy hariva tsy antoandro zany no analanao andro 
   Am                  G        Am               G
Ny ato an-trano lasa tsakinady, ati-kena miampy lagy 
 Am              G                Am            G    
Vao lalovan'ny mpanatsatso d'efa mahonena sy mijaly 
  Am                 G               Am                G
Isika roa angamba hitokamonina any alavitra tsy koboko any
Am                 G              Am               G                 C  
Any angamba mahafinaritra e, Angatahana amin' tena Andriamanitra satria

     Fiverenana
     F  G                  C  F
      'Zaho mbola tia an-dry 
       G              Am                 F
     Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
        G                  C F
     Mahita tsirony amin-dry
       G              C                  F
     Mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô
        G                 C 
     Mahita fafiny amin-dry

Ny Efitrao (Erick Manana & Bodo)

Key: A

Intro (short)
E..E'-D/E | A.... E"-D/E"-E' D/E-A/C#....
Verse 1 E' D/E E Esus4add2 E D/E' Manitra fi_tia________va_na A D/A A' D/A' A' Ny efitrao ry vony ô E' D/E E Esus4add2 E D/E' Milamina tsara voara________va_ka A D/A A' D/A' A' Vao miditra aho dia tony ô Chorus Dmaj7 E/D E'/D D E/D Miory fahasamba____rana Dmaj7 E/D D..D6.. Mitory fiadanana Bm7 A/C# D E Lalovako ma___tetika E' D/E E D/E" A Fa maha-te ho_ni___na ->Intro Verse 2 E' D/E E Esus2add4 E D/E Satriko tratr'a________lina A D/A A D/A A An'efitrao ry vony ô E' D/E E Esus2add4 E D/E Masoandro mahazo miva________rina A D/A A' D/A A F’izaho tsy maha-ho__dy intsony ô
     Chorus
        Dmaj7 E/D   E'/D D' E/D
     Nihazo_ na ny ha___nitra 
         Dmaj7 E/D  D..D6..
     Tontolo  iainana 
         Bm7         A/C#  D   E
     Fa raha mba ny foko onenanao 
         E'   D/E  E D/E" A
     Ho tapitra ny ola___na

->Intro

A':   x0x655 A/C#: x4225x 
Bm7:  x24232 
Dmaj7:xx0675 D': xx0x75 D6: xx0202 D/A: x0423c D/A': x0x55x D/E: 0xx232 D/E': 0xx2x2 D/E': 0x4232 E': 0xx454 E": 0xxx97 E/D: xx0454 Esus4add2: 0xx2x2 Tondrompeon'i Erick Manana hafa: Erick Manana Tondrompeon'i Bodo hafa: Bodo

Maloya (Erick Manana)

Hiran'i Erick Manana rehetra: Erick Manana
A6':    x07677   A6:    5x465x  Amaj7: 55665x  A/C#: x4x255
Aadd2:  x0x420  (x02420 rehefa fiverenana) 
Bm7':   7x777x   Bm7:   x24232  Bdim7: x2313x  Bm7/A:x04232
Bm11:   7x77(10)9  
Cm7:    8x789x   Cm7:   x3x343  C#m7': 9x799x  C#m7: x4x454
Ddim7:  xx0101   na     x5646x  Dmaj7: xx0222
Eaug11 :x7x798   E11/B: 7x6755  E/G#:  4x2100
F#aug7: 2x233x 
G6:     3x242x
Fampidirana
C#m7' Cm7'   Bm7'
Bm11  Eaug11 A6'

C#m7' Cm7'   Bm7'
E11/B Amaj7

Tonony
         C#m7'            Cm7'               Bm7'
Injay manako any ambadika any ny feon’angorodao e
                Bm11      Eaug11'    A6'
Miampy korintsana, mitopatopa malefaka
           C#m7'          Cm7'          Bm7'
Arahina lamako, velively daba, kidodon-tany e
                 E11/B                       Amaj7
Miala any i Maloya ry zalahy ka samia misikina

Tetezana
A6         G6                F#aug7          Bm7          
 Somary milaika tsy rototra firy kanefa miangola 
             Bdim7                 Ddim7       Aadd2
Fa mody tsotsotra tsy dia be filatro fa midoladola 
          C#m7           Cm7           Bm7
Arahina tsiky tosiky ny fo ka maharavoravo e 
            Bdim7       Ddim7     Aadd2
Izy no Maloya  ka handihizo miadana
 
                G6              F#aug7          Bm7
F’efa latsaka anaty tena lalim-paka ka tonga fanahy 
             Bdim7        Ddim7              Aadd2
Nandalo sikilôny niampy avandra, fa izy tsy maty 
          C#m7            Cm7                Bm7
Fanilon’ireo olo-maro voarara tsy hahita masoandro e
            Bdim7 Ddim7          Aadd2
Izy no Maloya, naterak’i la Reuniô

     Fiverenana (2x) 
               Dmaj7                A/C#
     O ra Maloya,   'ty aho ra Maloya
                        Bm7 Bm7/A
     Mba ho ento misidina
           E/G#      E    Aadd2
     Misy ratra tsy sitrana
              Dmaj7                A/C#
     O ra Maloya,  'ty aho ra Maloya                       
                           Bm7        Bm7/A     
     Aleveno ao anatin’ny dihy re ny lasa  
          E/G#    E     Aadd2
     Nandrao manahirana a

Mason’ny Alina (Tsiakoraka)

Hiran'i Tsiakoraka rehetra: Tsiakoraka
B7:  x21202 B:   x24442
G#*: 4xxxx  (G# bass)

Fampidirana
E... A E (2x)
E... A E  B7

Tonony 1
E                    A
Ny andro no nandalo f’izaho no niaritra
E               A
 Nimbanjina ny fara-vodilanitra
E                        A         B
 Niandry ny hariva , ny masoandro diva
   E                  A
Ny alina no tonga f'izaho efa lasana
E                             A
 Lasa lavitra tsy hita ho andrasana
E                       A          B
 Nitety tany hafa, tsy hitan’olon-kafa

   Fiverenana
    A      B          E..
    Embona elan’elan-tany 
     A    B               E      G#* A..
    Olontiana ho nofisi-mamy, maaaamy
       B   A   E..
    Hmm hmm hmm 
      B   D   B..
Hmm hmm hmm
Tetezana  
E  A  E  A
E  A  B  B

Tonony 2
 E                A
Fa 'lay taratrao manga fijery
E                A
 Mason’ny alina namana mahery
E                      A            B
 No niantso nitaona nitondra mba ho eny

    Fiverenana
      A    B                  E..
    Vetsovetso no_alefa sesilany
     A   B                E     G#* A..
    Hiampita any ambadika any, aaaany 
       B   A   E..
    Hmm hmm hmm 
      B   A   E...
    Hmm hmm hmm

Tiana Ve (Mahaleo)

Hiran'i i Mahaleo rehetra: Mahaleo

Bm:  x24432

Fampidirana:  Em  C  G (2x)

Tonony 1
 G                 Am
Mangitakitaka aho,   mitebiteby aho 
Bm                C                Bm
 Mibitabitaka ary   somebiseby ny foko 
   Am              D  
Rehefa manina an-dry 
     G                     Am
Ireo andro niarahana, toa fohy dia fohy 
 Bm                C                Bm
Tiako hitarina sy tiako hitohy,  kanefa 
   Am     D          G
Ianao indray no tsy sahy 

     Fiverenana (2x)
            Em       C
     Tiana ve, diso tiana? 
            Am         D
     Ka mampitondra fahoriana 
           Bm       Em
     Mamo ve? Diso mamo? 
     F                C
     Andraso kely ary aho 
                       G
    Raha toa ianao ka kamo 

Tetezana:  Em  C   G (2x)

Tonony 2
    G                      Am
Tsy andriko intsony, ny ampitso maraina 
      Bm          C                     Bm
 Hibedako ny fony  ary hitenenako ireo teny 
  Am          C          D  
Izay efa noforoniko an-dry 
     G              Am
Tsy mahasaraka aho,  tsy mahatombona aho 
Bm           C               Bm
 Efa niaraka, efa niombona isika  
  Am      D      G
Izay vao nifankatia

     Fiverenana (2x)
                 Em        C
     Foiko ho anao,tsisy fetra 
           Am       D
     Ny fitiavako rehetra 
             Bm             Em
     Omeko anao, raha sitrakao 
       F              C
     Ireo nofinofy matory 
                G
     Ao anatiko ao

Famaranana:  Em  C   G