Sariaka (Dama)

Hiran'i Dama rehetra: Dama
Tonalite: G (Capo: 2)
Open G (DGDgbd)
C/G: x02012 Csus4(add9): x5056x
D5:  020230
G:   x00000

Fampidirana
C/G  G  D5 (3x)
C/G  G

Tonony 1
D5        C/G G  D5        C/G G       
Oh Sariaka      ny fitsikinao
 D5      C/G  G      D5      C/G G       
Dia mibaliaka   manodidina anao
      D5        C/G G       D5        C/G G       
Mampisokatra fijery  sy ny saina teritery
      D5      C/G   G         D5        C/G G       
Mampamoa varavarana   izay malaina namana

     Fiverenana
      D5         C/G  G             D5         
     Mahavariana ahy,   mahavariana ahy e
         D5        C/G G           G        D5   Csus4    
     Ny nazakanao ahy,   amin'ny tsikitsikinao e

Tonony 2
          C/G  G D5        C/G G       
Oh Sariaka      mety va ianao
  D5      C/G G    D5         C/G G       
Hiaraka isika   ho any Ambalavao
   D5       C/G G        D5    C/G G       
Mifampitositosy   anaty taxi-brosy
     D5        C/G G      D5      C/G   G       
Mampiondakondana     lalana miolakolana
     D5         C/G G        D5     C/G G       
Tsy lavitra ny dia,  rehefa mifankatia
         D5     C/G G     D5       C/G G       
N'aiza n'aiza aleha, dia vetivety be

     Fiverenana
      D5         C/G  G             D5         
     Mahavariana ahy,   mahavariana ahy e
         D5         C/G G           G        D5   Csus4    
     Ny fitondranao ahy,  amin'ny tsikitsikinao e

Tonony 3
          C/G G         D5         C/G G       
Oh Sariaka      mila kafe mafana izao
 D5         C/G G         D5         C/G G       
Tonga soa isika   maraina eto Ambalavao
 D5              C/G G         D5       C/G G       
Manitra ny kafe gasy, nasiana siramamy gasy
     D5         C/G G         D5      C/G G       
Tapaky ny kopy vy     fa nofenonao fitia

     Fiverenana
      D5         C/G  G             D5         
     Mahavariana ahy,   mahavariana ahy e
         D5         C/G G           G        D5   Csus4   
     Ravoravo ny fanahy,  amin'ny tsikitsikinao e

Tonony 4
               C/G G         D5    C/G G       
Tsara ny mofo gasy,  ka aza milasilasy
       D5           C/G G      D5             C/G G       
Tsisy fady fa tena fy     sahazan'ny mpifankatia

     Fiverenana
      D5         C/G  G             D5         
     Mahavariana ahy,   mahavariana ahy e
         D5         C/G G      G                  D5  Csus4   
     Ravoravo ny fanahy,  fa tsena ny eto Ambalavao e
Famaranana
         C/G G  D5      
Oh Sariaka      

Hifidy Gitara

Salama daholo – inty ny lahatsoratra voalohany izay hosoratana eto ka aleo dia atomboka amin’ilay fitaovana izay fampiasan’ny mpitendry (ho an’izay te hividy vaovao). Ho an’ny mpanalazy dia gitara akoustika no resahana eto satria ny gitara elektrika mila zavatra maro miaraka aminy (ampli, cable, sns).

Tady vy sa nylon

Ny gitara mampiasa tady vy matetika no be mpanana satria mety hitendrena gadon-kira maro (Mahaleo, Kiaka, Tirike, etc…) sady mora solona ny tadiny.

Betsaka amintsika koa anefa ny manana gitara klasika (tady nylon) ary dia tsara tokoa ny mitendry azy indrindra rehefa mitendry Erick Manana na hira nosoratan’i Dadah Rabel (Mahaleo). Ny hira mampiasa tendry gasy (CGDGBE) dia matetika gitara klasika no tena tsara hitendrena azy.

Raha ny tsara ary raha misy ny fahafahana dia tsara kokoa manana an’izy roa, indrindra raha tia manao tendry gasy, amin’izay tsy miovaova firy ny tuning.

Hazo (bois solide sa stratifiee)

Tsara kokoa raha bois solide no hazo hampiasana satria tena mivoaka tsara ilay feo, kanefa lasa mahalafo an’ilay gitara io. Mety sarotra raha any Madagasikara ny hoe bois solide ny guitar manontolo noho ny vidiny, fa raha azo atao dia ny tampon’ilay gitara (top) dia bois solide satria ny tampony no tena mamoaka ny feo.

Maro ankoatran’ireo ambony ireo ny zavatra mety ho tadiavan’ny mpitendry rehefa mijery gitara (vidiny ohatra, ny angezan’ny gitara, elektronika miaraka aminy, elektrika sa akoustika) fa ireo ambony ireo no vitsivitsy afaka hanombohana raha hanala azy fotsiny. Hanome marque vitsivitsy eo ambany ao ny tena raha mety hahasoa.

Gitara tady vy (steel string)

-Takamine: inty marque ity no tena malaza fampiasan’ny mpihira/mpitendry ao Madagasikara. Dama (Mahaleo) no tena malaza mpitendry  Takamine, fa misy hafa toy i Tovo J’Hay, Ambondrona

Takamine G70

Takamine G70

Yamaha: Toa betsaka ny hita mitendry azy tamin’i Coulisse en TV plus

Yamaha F325

Yamaha F325

Gitara klasika

Yamaha: Raha mampitovy ny kalitao sy ny vidy dia tena tsara ny gitara klasikan’ny Yamaha

Yamaha C40

Yamaha C40

Marihina fa raha hividy gitara dia ny tsara indrindra ny manandrana mitendry maromaro ka dia izay mety amin’ny sofina no vidina. Torohevitra ihany ireo ambony ireo.  Ho an’izany mipetraka any ivelany dia manana safidy maro kokoa arakaraky ny fahafaha-mividy (Martin, Taylor, Gibson, Godin, etc…).

 

 

Voasary (Dama)

Hiran'i Dama rehetra: Dama
Open E (EBEg#be)
Open D (DADf#ad) - Capo 2
Raha tsy mahazaka Open E ilay 
gitara ataovy Open D sy Capo 2
no ampiasana)
A: 555555
B: 777777 B': xx7777
D: (10)(10)(10)(10)(10)(10)
E: 000000 E': 00(12)(12)(12)(12)
F#:222222

Fampidirana
E' D A B'
A  E (2x)
A-B'-A-E (2x)
Tonony 1
E'           D                      A           
 Iny izy fa tazako eny an-tampom-kavoana     
   A        B'                   
Mamikavika mafy ery ambany ery a
E                     A           
 Mitofatofa amin’ ny zipo    
 A        E A-B'-A-E 
Zipo lavany

Tonony 2
E'           D                                 
 Fafazan’ ny orana avy any atsimo izy     
A           B'                                
 Tohan’ ny rivotra tsy avelany mandeha
E                     A           
 Mavitribitrika anefa izy    
   A           E     A-B'-A-E
Mitaingina ny kapany

Tonony 3
E'                D                         
 Na dia misy aza ny fiakarana mideza   
A                 B'                       
 Izay miandry azy atsy aloha atsy a
E                              
 Mavitribitrika izy e    
A                  E   A-B'-A-E
 Hamangy ilay malalany

     Fiverenana (2x)
           E               F#             
     Ny famindrany amin’ izay e
            B                  E
     Manaraka ny fitempon’ ny fony a
     A-B'-A-E

Tonony 3
E'                D              
 Midobodoboka ny fony
       D            A
Midobodoboka aok’ izany 
   A          B'                
Rehefa tonga teo am-baravarana
E                         
 Nandondona indroa izy e    
A                 E  A-B'-A-E  
 Nefa tsy nisy namaly

Tonony 4
E'                 D              
 Saika handondona fanintelony izy
A              B'                
 Nivoha anefa ny varavarana
E                                
 Ka nampandrosoiko izy e   
A             E A-B'-A-E
 Tato an-trano

     Fiverenana (2x)
         E             F#             
     Mangetaheta anefa izy e
     B                   E
      Dia notolorako voasary
     A-B'-A-E

Tonony 5
E'                   D              
 Somary gaga anefa izy
   D            A
Nijery ilay voasary 
    A        B'                  E    
Voasary efa vita vaofy no nomeko azy
      E           A           
Nanontany ahy izy e    
    A       E    A-B'-A-E  
Nankaiza ny odiny

Tonony 6
E'                 D              
 Be mpaniry mantsy io voasary io
A                                   
 Zay tonga ato an-trano 
       B'
Dia mihinana ny odiny
E                         A           
 Ny fonin’ ilay voasary anefa   
       A              E  A-B'-A-E
Tsy nomeko an’ iza n’ iza

     Fiverenana
        E             F#             
     Natokako ho anao e
     B                   E
      Ny fonin’ ilay voasary a
     A-B'-A-E
        E             F#             
     Natokako ho anao e
     B              E
      Ilay voasary mamy an
     A-B'-A-E

Fiainan’Antananarivo (Dama)

Hiran'i Dama rehetra: Dama
Capo: 1
Open G (DGDgbd)
C: x55555
D: 077777
F: x(10)(10)(10)(10)(10)
G: x0(12)(12)(12)(12) na x000(12)(12)

Fampidirana
D   G  F   D  (2x)

Tonony 1
2x
                      G          
Manimanina ny any aminay izaho e
     G         D   
Manimanina te-hody
---------------------------------
    D             F         
Ny foko izay malahelo
     F                 G   
Tsy haiko ny hanaovana_azy 
  G              F C              G
Izaho tsy manam-bola handehanana hody (2x)
D

Tonony 2
                   G          
Efa tonga efa ela be ’zaho e 
 G            D   
Teto Antananarivo
     D            G          
Nikarama efa ela be ’zaho e 
 G            D   
Teto Antananarivo
 D                   F    
Nefa dia hatramin’ izao 
       F            G
Tsy nahangona vola firy 
     G             F     C                  G
Ny frais mbola tadiavina e, k’aleoko mijanona (2x)

     Tetezana 
     2x
            G              F
     Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama 
               G              F  G
     Dia te hody, dia te hody a
     ------------------------------------
       G               F            G
     Fiainan’ Antananarivo hiara-malala 
                G     F   G
     Fa tsy te mahatamana
       G               F            G
     Fiainan’ Antananarivo hiara-malala 
             G      F   G
     Fa tsy te hahalala
           G               F                 G
     Mitsakaraka vola isan-andro ka mandreraka
                 F  G
     Ka mandreraka 
           G             F                G
     Samy maka ho azy daholo, tsisy iainana
                 F 
     Tsisy iainana

Famaranana
2x
C              G               C  
  O ry akamako a , omeo korazy aho 
      C           G
Fa mitady ho reraka
----------------------------------
C              G               C  
  O ry akamako a , omeo korazy aho 
       C            G
Mba ho entiko hiady an
C              G                      C  
  O ry akamako a , aza avela ho irery aho
   C            G
’Ndao mba hiaraka 
C              G                      C  
  O ry akamako a , aza avela ho irery aho
  C              G
Tsara raha miaraka

Tonony 1

Madirovalo (Dama)

Hiran'i Dama rehetra: Dama
Hiran'i Mahaleo rehetra: Mahaleo
Open G (DGDgbd) 
Bm/G: 0×07(12)(12)
C/D : 0×0555
D:    0×0777  D7 :  0×07(10)(10) 
G/D:  0×0789  G6/D: xx0987
D':   G/D-D-G6/D-D

Fampidirana
2x
D-G/D-D7-G/D
D-G/D-D-G/D-D
-------------
2x
Bm/D-D7-G/D-D
-------------
2x
D G/D-D-D7
D-G/D-D7-G/D 
D-G/D-D (2)
------------- 
D C/D D
D'

Tonony 1
   D              D
Nalefa stagy tao Madirovalo
      D              D
Ny mpianatrin'ny universite
D7 
 Nalefa stagy izy ireo 
    G/D            D    
Handinika ny zava misy a
 
Tonony 2
D           D
 Maromaro ireo zava misy
 D                D
Hitany zareo tao Madirovalo 
D7                G/D          D
 Anisan izany tantaran i Adamalandy
D'        C/D            D
 Tantara marina izany lerony a
 
Tonony 3
D              D
 Misy biby tsy azo jerena
      D              D
Ary izay mahita tsy mahazo manambara 
 D7 
Biby be angamba
 D7           G/D           G/D
Bibilava ao anaty honahona feno bararata
 
Tonony 4
 D               D
Nisy vahiny valovotaka efa mpaka-bararata
     D7               D7              G/D 
Tsy naharitra fa nitatara tamin'olona o 
  G/D              D   
Toerana nisy 'lay biby 
D'             C/D             D     D'
 Niharan-doza oa ny vady aman-janany 
 
     Fiverenana (2x)
      D               D
     Zany no zomban'Anelobe
     D            D
      Loharano madio
        G/D              G/D 
     Manondrak'ilay honahona
     C/D            D
      'Lay toerana fady a

2x 
D-G/D-D-D7
 D  G/D D7  G/D  D  G/D  D
Na na  na  na   na na   na
------------------------------
         C/D            D
Tantara marina izany lerony a
Tonony 5
 D              D
Mizara roa ary ny fitondrana
D                      D
Ao amin ny firaisan i Madirovalo
D7       D7
 Nizara roa izy 'reo 
      G/D             G/D
Nefa samy mitondra vahoaka 
 
Tonony 6
D               D
 Ny iray fitondram-panjakana
         D            D
Izay ho entin'ny lehiben'ny firaisana
D7               G/D             D
 Ny faharoa dia ny fitondran'ny razana 
D'          C/D                    D     D'
 Ka i Adamalandy no nitondra any 'zany a

     Fiverenana
      D                 D
     Zany no tromban'i Madirovalo
     D               D
      Any Ambato Boeni
       G/D              G/D
     Tromba mitondra vahoaka 
            C/D              D
     Sady tromba ho entim-bahoaka
2x 
D-G/D-D-D7
 D  G/D D7  G/D  D  G/D  D
Na na  na  na   na na   na
------------------------------
         C/D            D
Tantara marina izany lerony a

Tonony 7
  D                D
I Adamalandy dia mpanjaka mena
   D              D
Taranak ireo mpanjaka taloha
D7               D7
Izy no ray amandrenin'ny tanana
   G/D                G/D   D
Mitantana ny fomban-drazana
Tonony 8
        D          D
Ireo mpianatra avy any amin'ny
    D               D
Avy any amin ny universite
     D7              D7
Tsy naharitra fa nangata pitahiana 
     G/D           G/D      D  
Sy trodrano amin i Adamalandy
D'              C/D                D    D'
 Tao anatin ny zomba no nanaovan'izany a

     Fiverenana (2x)
      D               D
     Zany no zomban'Anelobe
     D                D
      Fangatahim-pitahiana
        G/D              G/D 
     Fanahin ireo razam-be 
     C/D           D
      No mipetraka ao a

      D               D
     Zany no zomban'Anelobe
     D                D
      Fangatahim-pitahiana
        G/D              G/D 
     Fanahin ireo razam-be 
     C/D           D
      Toa mbola mitahy a

2x 
D-G/D-D-D7
D  G/D D7  G/D  D  G/D  D
------------------------------
         C/D            D
Tantara marina izany lerony a
Tonony 1 & 2


			

Taxi-Brosy (Dama)

Hiran'i Dama rehetra: Dama
Open G (DGDgbd)

Tonalite: C
C: x55555
D: x77777
F: x(10)(10)(10)(10)(10)
G: x00(12)(12)(12)
Ny F dia tendrena F-G-F (G:x00000)

Fampidirana
C D G F

Tonony 1
   C             D   G F            
Ianao avy any atsimo    
    C         D      G F    
Handeha hianavaratra
    C             D   G F            
Ny fonao tsy manadino    
   C      D       G F    
Hamangy ireo havana

     Fiverenana
     C        D         G F
      Soa fa misy fiara e 
        C              D     G F 
     Mitety an’ i Madagasikara 
     C        D     G F
      Ireo taxi-brosy 
      C                 D     G F
     Mampifandray ny mpianakavy
Tonony 2
   C             D      G F            
Ianao avy any havaratra    
    C          D   G F    
Handeha hianatsimo
 C         D   G F            
Hamangy malala   
C      D     G F    
Any ambanivolo
     Fiverenana
     C        D         G F
      Soa fa misy fiara e 
        C              D     G F 
     Mitety an’ i Madagasikara 
     C        D     G F
      Ireo taxi-brosy 
      C            D          G F
     Mampifandray ny mpifankatia
C D
Tetezana
 D            D
Madagasikara,  tany midadasika 
       D
Mifanalavitra be ny toerana 
        D
Ny fitaterana mbola sarotra 
    D
Ny lalana tsy maharaka 
  D
Ilaina fanamboarana 
  D
Ilaina fanitarana 
           D
Raha tsy izany ny fifandraisana 
    D
Manjary fifandrafesana 
C D G    C   D G F
    Ooo  Eny e

Tonony 3
   C              D    G F            
Ianao avy any andrefana    
    C           D     G F    
Handeha hiantsinanana
   C             D   G F            
Mitondra voan-dalana    
C           D        G F    
 Dia ny fitiava-namana
     Fiverenana
     C        D         G F
      Soa fa misy fiara e 
        C              D     G F 
     Mitety an’ i Madagasikara 
     C        D     G F
      Ireo taxi-brosy 
      C             D              G F
     Mampifandray 'reo 'zay miara-dia
Tonony 4
   C            D    G F            
Ianao avy antsinanana    
    C            D     G F    
Handeha hiankandrefana 
 C        D      G F            
Hila ravinahitra    
C                       D          G F    
Any amin’ ny tany tsy mbola fantatra

     Fiverenana
     C        D         G F
      Soa fa misy fiara e 
        C              D     G F 
     Mitety an’ i Madagasikara 
     C        D     G F
      Ireo taxi-brosy 
      C               D        G F
     Mampifandray ny fomban-tany
C D

Tetezana
     D                D
Ny mponin’ i Gasikara, maro karazana
      D
Samy hafa ny fihaviana 
 D
Samy nandeha lakana
 D
Nanjary tafahoana
D
 Iray fonenana 
D
Iray tanindrazana 
        D
Ny ranomasina manodidina 
     D  
Vao maika nampitambatra
C D G    C   D G F
    Ooo  Eny e

Tonony 5
 C               D    G F            
Na dia mbola tsy ampy    
    C           D   G F    
Ny lalana mampitohy 
  C            D   G F            
Izay mampifandray    
    C        D G F    
Antsika Malagasy

     Fiverenana
     C        D         G F
      Soa fa misy fiara e 
        C              D     G F 
     Mitety an’ i Madagasikara 
     C        D     G F
      Ireo taxi-brosy 

     Fiverenana (2x)
        C                 D       G F
     Mitondra olona tsy mialon-jafy
      C        D        G F
     Mampifandray ty Nosy

Nosy Milalao (Dama)

Key: D (Open G tuning)

Intro 
G...A/G-G | D....
Dsus2..G..| D....
--------------------- G/D.. D.. (4x)
Verse 1 D Ny ranomasina
G D
Sy ny lanitra G D Bm A Samy manga, madio
G D
Sy mahafinaritra

Verse 2 D Manofahofa tanana
G D
'Reo voanio maintso mavana G D Bm A Ny rivotra madio, mihira
G D
Fa andro fety anio Chorus #1 G D Avia mandrosoa
G D
Ry nosy miara-milalao G D Bm Gasikaraka kianja so_a A G D Ry tanora mivonona ianao G D Hiaraka hanangana
G D
Tranobe iombonana G D Bm Firaisan-kina no hajoro A G D Fa io no vato, vato fehizoro Verse 3 D Manofahofa tanana
G D
Ny eto an-tanana G D Bm A Faly sy ravoravo, fa tafaray
G D
'Reo nosy maro Chorus #2 G D Avia mandrosoa
G D
Ry nosy miara-milalao G D Bm Ny trano lehibe toko_a A G D Ry tanora vohay ny fonao G D Hifandray tanana
G D
Sy hifampitantana G D Bm
Firaisan-kina no hajoro A G D
Fa io no vato, vato fehizoro
-------------------- Open G Chords
A: x2222x
Bm: x4443x
D: x77777 (verse)
G: x0000x (verse) x05435 (chorus)

Intro only:
D: xx0(14)(15)(16) Dsus2: xx0(14)(15)(16)
G: x0(12)(12)(12)(12)
Dsus4:x77779

Hiran'i Dama rehetra: Dama

Tablier Manga (Lolo sy ny Tariny)

Hiran'i Lolo sy ny Tariny rehetra:
Lolo sy ny Tariny

Tonony 1
 Am     C   D         Am
Fony ianao zazavavy tsotra 
 D          Am
Nitondra kitapo 
   G       Am     Em      Am
Nanao tablier, nanao tablier

Tonony 2
Am     C   D          Am 
Iny ianao fa namonjy lera 
     D       Am
Tsy nitaveravera 
    G             Am 
Fa sao tezitra i Mera 
 Em            Am
Sao tezitra i Mera 

     Fiverenana
     Dm          Am
      Saika diso endry 
     Dm                 Am
      Tsy nilalao afa tsy 
         Dm             Am   
     'Reny saribakoly ireny 
           F        C           E      Am
     Nefa ny saribakoly, tsy mamaly fitia (2x)
          
Tonony 3
 Am       C     D              Am
Tonga ary aho, tonga aho hitantara
D         Am       G           Am
 Ilay hatsaran'ny raozy vao maraina 
    Em          Am
Ny raozy vao maraina

Tonony 4
     Am        C    D           Am
Nampianariko anao, koa ny nankafy
  D           Am         G          Am
Iry lanitra iry, rehefa maty ny masoandro
 Em         Am
Maty ny masoandro

     Fiverenana
        Dm            Am      
     Nony tonga ny hariva 
     Dm                  Am
      Ianao nanisa kintana 
       Dm                Am
     Izaho nibanjina ny tany 
       F            C       E                Am
     Izaho somary miala, ianao miantso hoe avia (2x)

Ity Hirako Ity (Thiera Bruno)

Hiran'i Thiera Bruno rehetra: Thiera Bruno

Fampidirana
Am D G Em
Am D C G

Tonony 1
     G               C        G
Ity hirako ity dia atolotro anao
        G               D
Ahatsiarovanao ny anarako 
         G                     C      G
Raha ho lasa any ianao, ka ho lavitra ahy
   G   D           G
Veloma   mandrampihaona

Tonony 2
      G                    C       G
Aza adino lalandava fa mpinamana isika
     G                D
Tsy mba nifankafoy tety
    G                C        G
Mpizara alahelo, mpizara hafaliana 
  G            D            G
Izaho sy ianao,  hatramin’izao

     Fiverenana
      Am         D           G  Em
     Very namana aho nilaozanao 
      D                  G
     Ka iza indray izao no antenaiko 
      Am       D            G   Em
     Hilazako ny manahirana ahy 
     Am       D       C      G
      Hisolo ny toeranao a a a

Tetezana:
Am D G Em
Am D C G

Tonony 3
       G                    C         G
Tsy ny elanelan-tany na ny fahalaviranao 
       G             D
No hampisy ny fanadinoana
    G                        C           G
Fa sento tokana monja ary tsiahy iray minitra 
    G   D              G
Dia ampy  hampiray antsika 

Tonony 4
          G                C         G
Koa raha manina ianao, ka te hanoratra 
     G               D
Ny aty tsy miova adiresy 
      G                 C      G
Tsy miova fanahy, tsy miova fitia 
     G    D           G
Fa miandry, miandry anao

     Fiverenana
      Am         D           G  Em
     Very namana aho nilaozanao 
      D                  G
     Ka iza indray izao no antenaiko 
      Am       D            G   Em
     Hilazako ny manahirana ahy 
     Am       D       C      G
      Hisolo ny toeranao a a a

     Famaranana
      Am        D         G  Em
     La lalala la lalala la
     Am       D         C           G 
      Lalala la lalala lalalala a a a

Raha Nofy (Poopy & Njakatiana)

Hiran'i Poopy rehetra: Poopy
Hiran'i Njakatiana rehetra: Njakatiana
A/C#: x4xx55  A/E: 0x2220  Am/D: x0x231
Bm:   x24432
E7/D: xx0434
Fmaj7:1x221x

Fampidirana: C  F  
             C  D5-E  
              
     Fiverenana
               A
      Fa raha sanatria ka nofy 
       A            Bm
     Izao rehetra izao                
         Bm
     Avelao izy hitohy 
              Bm        E
     Mbola iarahako aminao                
          E             E7/D          A/C# D
     Mitalaho an-tana-droa raha azo ata____o                
              A/E        E          A  
     Avelao aloha hanonofy farany aho

Am-Dm/A-Am
Tonony 1
           Dm      G           C
Androany aloha, nanome toky ianao 
         Dm       E            Am
Nomenao fitiavana aho, natolotrao ny fonao 
         Dm         E        Am
Ny nofy sy ny tsiambaratelo koa 
        Dm         G
Izaho irery no tianao 
        C         Fmaj7
Nefa manahy ihany aho 
            Dm        Dm           Esus4-E
Rahampitso ve, mbola ho tia ahy ianao

     Fiverenana

Am Fm7b5  Am/E
Tonony 2
        Dm        G         C
Azoko atao ve, ny ahatoky anao
          Dm          E
Sao sanatria tsy kilalao 
         Am
Sangy mahery no ataonao  
        Dm         E        Am-Bdim-C
Ho torotoro izany foko mitala______ho 
       Dm           G
Lazao re raha sitrakao 
         C           Fmaj7
Fa tena tia tokoa ianao
            Dm        Dm               E
Ka na ny ampitso aza mbola ho toy ny anio

     Fiverenana